11 Ary Ozia nanana miaramila maro, izay nanao antokony handeha hanafika, dia araka ny isany izay nandaminan'i Jeiela mpanoratra sy Mahaseia mpifehy azy, ka nofehezin'i Hanania, anankiray tamin'ny komandy voatendrin'ny mpanjaka.
12 Enin-jato amby roa rivo no isan'ny lohan'ny fianakaviana rehetra, dia lehilahy mahery avokoa.
13 Ary ny miaramila fehezin'ireo dia diman-jato amby fito arivo sy telo hetsy, izay nahery niady indrindra, homba ny mpanjaka hiady amin'ny fahavalony.
14 Ary Ozia namboatra ampinga sy lefona sy fiarovan-doha sy akanjo fiarovan-tratra sy tsipìka ary vaton'antsamotady ho an'ireo miaramila rehetra ireo.
15 Ary nanao fiadiana lehibe tany Jerosalema izy, natao araka ny marika vitan'ny mahay zavatra, hapetraka eo amin'ny tilikambo sy eo an-tampon'ny manda mba handefasana zana-tsipìka sy vato lehibe. Ary niely lavitra ny lazan'i Ozia; fa mahagaga ny nanampiana azy, ka tonga mahery tokoa izy.
16 Ary nony nahery izy, dia niavonavona ny fony, ka nanao izay ratsy izy, fa nivadika tamin'i Jehovah Andriamaniny ka niditra tao amin'ny tempolin'i Jehovah handoro ditin-kazo manitra teo amln'ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.
17 Fa niditra nanaraka azy kosa Azaria mpisorona mbamin'ny valo-polo lahy amin'ny mpisoron'i Jehovah, lehilahy samy mahery avokoa.