3 Tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona voalohany nanjakany dia namoha ny varavaran'ny tranon'i Jehovah izy ka namboatra azy.
4 Ary dia nampidiriny tao ny mpisorona sy ny Levita ka nangoniny teo ankalalahana atsinanana.
5 Ary hoy izy taminy: Mihainoa ahy, ianareo Levita, ka hamasino ny tenanareo izao, ary hamasino koa ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ary esory amin'ny fitoerana masina ny loto.
6 Fa ny razantsika nandiso sy nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamanitsika ary nahafoy Azy sy nihodina ka niamboho ny fonenan'i Jehovah.
7 Ary narindriny ny varavarana amin'ny lavarangana fidirana, dia novonoiny ny jiro. sady tsy nodorany ny ditin-kazo manitra, ary ny fanatitra dorana tsy nateriny tao amin'ny fitoerana masina ho an'Andriamanitry ny Isiraely.
8 Ka dia nihatra tamin'ny Joda sy Jerosalema ny fahatezeran'i Jehovah, ka nanolotra azy ho mpanjenjena izy sy ho figagana ary ho zavatra mampisitrisitra toy izao hitan'ny masonareo izao.
9 Fa he! lavon'ny sabatra ny razantsika, ary ny zanakalahintsika sy ny zanakavavintsika sy ny vadintsika dia efa babo noho izany.