13 dia ireo no tonian'ny mpitondra entana sady nifehy izay rehetra nanao raharaha tamin'ny tao-zavatra samy hafa rehetra; ary avy tamin'ny Levita koa nisy mpanoratra sy mpifehy ary mpiandry varavarana.
14 Ary raha namoaka ny vola izay nampidirina tao an-tranon'i Jehovah izy, Hilkia mpisorona dia nahita ny bokin'ny lalàn'i Jehovah, ilay nampilazaina an'i Mosesy.
15 Ary niteny Hilkia ka nanao tamin'i Safana mpanoratra hoe: Ny bokin'ny lalàna dia hitako tao an-tranon'i Jehovah. Dia natolotr'i Hilkia an'i Safana ny boky.
16 Ary Safana nitondra ny boky ho any amin'ny mpanjaka sady nilaza taminy hoe: Izay rehetra nasaina nataon'ny mpanomponao dia nataony avokoa.
17 Ary narotsany ny vola izay azo tao an-tranon'i Jehovah ka natolony teo an-tànan'ny olona voatendry sy teo an-tànan'ny mpiasa.
18 Ary Safana mpanoratra nilaza koa tamin'ny mpanjaka hoe: Misy boky nomen'i Hilkia mpisorona ahy. Dia novakin'i Safana teo anatrehan'ny mpanjaka ny boky.
19 Ary rehefa ren'ny mpanjaka ny tenin'ny lalàna, dia nandriatra ny fitafiany izy