2 Tantara 34:21-27 MG1865

21 Andeha manontany amin'i Jehovah ho ahy sy izay sisa amin'ny Isiraely sy ny Joda ny amin'ny tenin'io boky vao hita; fa mafy ny fahatezeran'i Jehovah naidiny amintsika noho ny tsy nitandreman'ny razantsika ny tenin'i Jehovah hanao araka izay rehetra voasoratra amin'io boky io.

22 Ary Hilkia sy izay notendren'ny mpanjaka dia nankany amin'i Holda mpaminanivavy, vadin'i Saloma, zanak'i Tokehata, zanak'i Hasra, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tany Jerosalema tao amin'ny tanàna ambany ravehivavy) ary niresaka izany taminy izy ireo.

23 Dia hoy ravehivavy taminy: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Lazao amin'izay lehilahy naniraka anareo tatỳ amiko hoe:

24 Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza amin'ity tanàna ity sy amin'ny mponina eto, dia ny ozona rehetra izay voasoratra ao amin'ilay boky efa novakina teo anatrehan'ny mpanjakan'ny Joda.

25 Satria nahafoy Ahy izy ka nandoro ditin-kazo manitra ho an'ireny andriamani-kafa sady nampahatezitra Ahy amin'izay rehetra nataon'ny tànany, dia haidina amin'ity tanana ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana.

26 Fa ny amin'ny mpanjakan'ny Joda kosa izay naniraka anareo hanontany amin'i Jehovah, dia ambarao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin'ny teny izay efa novakinao,

27 satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan'Andriamanitra, raha nandre ny teniny ny amin'ity tanàna ity sy ny mponina eto, eny, satria nanetry tena teo anatrehako ianao ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako, dia Izaho efa nihaino, hoy Jehovah.