2 Tantara 34:9-15 MG1865

9 Ary rehefa tonga teo amin'i Hilkia mpisoronabe izy, dia natolony ny vola izay nampidirina tao an-tranon'Andriamanitra, izay efa nangonin'ny Levita, mpiandry varavarana, tamin'ny Manase sy ny Efraima sy ny sisa rehetra tamin'ny Isiraely, ary tamin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny mponina tany Jerosalema.

10 Ary natolony ho eo an-tanan'ny lehiben'ny mpiasa izay voatendry hitandrina ny amin'ny tranon'i Jehovah izany, ary natolotr'ireo kosa ho an'ny mpiasa izay niasa tao an-tranon'i Jehovah hanamboarana sy hanamafiana ny trano;

11 dia nomeny ho an'ny mpandrafitra sy ry mpandatsa-bato hamidy vato voapaika sy hazo hatao sakamandimby sy lampihazo ho amin'ny trano izay nosimban'ny mpanjakan'ny Joda.

12 Ary ny olona dia nanao ny asa araka izay mety hatao; ary ny voatendry hifehy azy dia lahata sy Obadia Levita, avy tamin'ny taranak'i Merary, ary Zakaria sy Mesolama, avy tamin'ny taranaky ny Kehatita, ary ny Levita rehetra izay nahay ny zava-maneno isan-karazany,

13 dia ireo no tonian'ny mpitondra entana sady nifehy izay rehetra nanao raharaha tamin'ny tao-zavatra samy hafa rehetra; ary avy tamin'ny Levita koa nisy mpanoratra sy mpifehy ary mpiandry varavarana.

14 Ary raha namoaka ny vola izay nampidirina tao an-tranon'i Jehovah izy, Hilkia mpisorona dia nahita ny bokin'ny lalàn'i Jehovah, ilay nampilazaina an'i Mosesy.

15 Ary niteny Hilkia ka nanao tamin'i Safana mpanoratra hoe: Ny bokin'ny lalàna dia hitako tao an-tranon'i Jehovah. Dia natolotr'i Hilkia an'i Safana ny boky.