20 Ary ny fisotroan'i Solomona mpanjaka dia volamena avokoa, ary ny fanaka rehetra tao amin'ny trano Alan'i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo, fa natao toy ny tsinontsinona izany tamin'ny andron'i Solomona.
21 Fa ny mpanjaka nanana sambo mpankany Tarsisy niaraka tamin'ny mpanompon'i Hirama; ary indray mandeha isan-telo taona no nihavian'ny sambon'i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola.
22 Ary Solomona mpanjaka dia nanan-karena sady hendry indrindra noho ny mpanjaka rehetra ambonin'ny tany.
23 Ary ny mpanjaka rehetra ambonin'ny tany nitady hahita ny tavan'i Solomona mba hihaino ny fahendrena, izay nataon'Andriamanitra tao am-pony.
24 Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra.
25 Ary Solomona nanana efi-trano efatra arivo fitoeran'ny soavaly mpitarika kalesy ary soavaly fitaingina roa arivo sy iray alina, izay nataony tao amin'ireo tanàna fitoeran-kalesy sy tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema.
26 Ary nanjaka tamin'ny mpanjaka rehetra hatramin'ny Ony ka hatramin'ny tanin'ny Filistina ary hatramin'ny sisin'i Egypta izy.