1 Raha tahìny misy maty novonoin'olona hita miampatra any an-tsaha amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovana, ary tsy fantatra izay nahafaty azy,
2 dia hivoaka ny loholonao sy ny mpitsaranao ka horefesiny hatreo amin'ny faty ka hatramin'izay tanàna manodidina azy.
3 Ary ny loholona amin'ny tanàna izay akaikin'ny faty indrindra dia haka ombivavy kely izay tsy mbola nampiasaina na nasiana zioga hitarihany.
4 Ary ilay ombivavy kely dia ho entin'ny loholona amin'izany tanàna izany midina any amin'izay lohasaha tsy voasa na voafafy sady misy renirano tsy mety ritra, dia hofolahiny any an-dohasaha ny vozony.