13 tsy hisy tanana hikasika azy, fa hotoraham-bato tokoa izy, na hotifirina tokoa, na biby na olona, tsy mba hovelomina izy; fa raha manao feo lavareny ny anjomara, dia vao hiakatra ho ao amin'ny tendrombohitra izy.
14 Dia nidina avy tao amin'ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin'ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany.
15 Ary hoy izy tamin'ny olona: Miomàna ianareo ho amin'ny andro fahatelo; aza manakaiky vehivavy akory.
16 Ary nony tamin'ny marain'ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin'ny tendrombohitra, ary nisy feon'anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby.
17 Ary Mosesy nitondra ny olona nivoaka avy teo an-toby mba hihaona amin'Andriamanitra; dia nijanona teo am-bodin'ny tendrombohitra izy.
18 Ary ny tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka avokoa, satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo; dia niakatra ny setroka tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay rehetra.
19 Ary rehefa notsofina ny anjomara ka nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra namaly feo azy.