8 ary raha mampirehitra ny lela fanaovan-jiro Arona nony hariva no handoroany izany koa; ditin-kazo mani-pofona eo anatrehan'i Jehovah mandrakariva hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany.
9 Aza manatitra ditin-kazo manitra tsy izy eo ianareo, na fanatitra dorana, na fanatitra hohanina; ary aza manidina fanatitra aidina eo.
10 Ary aoka Arona hanao fanavotana eo amin'ny tandrony indray mandeha isan-kerintaona; amin'ny ran'ny fanatitra noho ny ota, izay atao fanavotana, indray mandeha isan-kerintaona, no hanaovany fanavotana eo, hatramin'ny taranakareo fara mandimby; ho masina indrindra ho an'i Jehovah izany.
11 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe;
12 Raha maka ny isan'ny Zanak'Isiraely araka ny fandaminana azy ianao, dia samy handoa avotry ny ainy avy ho an'i Jehovah ny isan-olona, raha alamina izy, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha alamina izy.
13 Izao no haloan'izay rehetra voalamina, dia antsasaky ny sekely avy araka ny sekely masina (gera roa-polo ny sekely iray), eny, antsasaky ny sekely ho fanatitra ho an'i Jehovah.
14 Izay rehetra voalamina hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra no handoa ny fanatitra ho an'i Jehovah.