8 Ary nisy nitarehin-tànan'olona niseho teo ambanin'ny elatry ny kerobima.
9 Ary hitako fa, indreo, nisy kodia efatra teo anilan'ny kerobima, dia kodia iray avy teo anilan'ny isan-kerobima; ary ny tarehin'ny kodia dia toy ny volon'ny vato krysolita.
10 Ary izy efatra dia nitovy tarehy, toy ny kodia anatin'ny kodia.
11 Raha nandeha izy, dia nandeha tamin'ny hitsin'ny lafiny efatra; tsy niherika izy raha nandeha, fa tamin'ny hitsin'izay natrehin'ny lohany ihany no nalehany; tsy niherika izy raha nandeha.
12 Ary feno maso manodidina ny tenany rehetra sy ny lamosiny sy ny tànany sy ny elany mbamin'ny kodia; izy efatra dia samy nisy kodia avokoa.
13 Ny amin'ny kodia dia reko nisy niantso azy hoe: Ry kodia!
14 Ary samy nanana tarehy efatra avy izy: ny tarehin'ny voalohany dia nitarehin-kerobima, ary ny tarehin'ny faharoa dia nitarehin'olona, ary ny fahatelo nitarehin-diona, ary ny fahefatra nitarehim-boromahery.