3 Koa ianao, ry zanak'olona, mifeheza entana handeha hifindra ho any amin'ny fahababoana, ka miaingà antoandro eo imasony; ary mialà eo imasony eo amin'izay itoeranao ho any amin'ny fitoerana hafa; angamba mba ho fantany fa taranaka maditra izy.
4 Dia havoakanao antoandro eo imasony ny entanao, toy ny entan'ny olona handeha ho any amin'ny fahababoana; fa ny tenanao kosa dia hivoaka hariva eo imasony toy ny fivoaky ny handeha ho any amin'ny fahababoana.
5 Boroboahy eo imasony ny manda, ka ao no amoahy ny entanao.
6 Ataovy an-tsoroka eo imasony no fitondranao azy, ka ento mivoaka, rehefa maizina dia maizina ny andro; sarony ny tavanao mba tsy hahitanao ny tany; fa efa nataoko ho famantarana mahagaga ho an'ny taranak'Isiraely ianao.
7 Dia nanao araka izay efa nandidiana ahy aho, ka nentiko nivoaka antoandro ny entako, toy py entan'ny olona handeha ho any amin'ny fahababoana, ary nony hariva dia noboroboahako tamin'ny tanako ny manda, ka nony efa maizina dia maizina ny andro, dia nentiko nivoaka izany ka teny an-tsoroka no nitondrako azy teo imasony.
8 Ary nony maraina dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
9 Ry zanak'olona, moa ny taranak'Isiraely, izay taranaka maditra, tsy manontany aminao hoe va: Inona izao ataonao izao?