41 Ary hodorany amin'ny afo ny tranonao, ka hotanterahiny eo imason'ny vehivavy maro ny famaliana anao ary hatsahatro tsy hijangajanga ianao ka tsy hanangy intsony.
42 Toy izany no hialako fo aminao, ary ho afaka ny fahasaro-piaroko aminao, dia hionona Aho ka tsy ho tezitra intsony.
43 Noho ny tsy nahatsiarovanao ny andro fahakelezanao, fa niempo nanohitra Ahy tamin'ireo rehetra ireo ianao, dia; indro, ny nataonao ihany no hatsingeriko ho eo an-dohanao, hoy Jehovah Tompo. Ary tsy nanao izany ratsy izany ho fanampin'ny fahavetavetanao rehetra va ianao?
44 Indro, ny mpanao ohabolana rehetra dia hamely anao amin'izao ohabolana izao hoe: Manahaka an-dreniny ihany ny zananivavy.
45 Hianao dia zanakavavin-dreninao, izay mahafoy ny vadiny aman-janany; ary ianao dia rahavavin'ireo rahavavinao, izay nahafoy ny vadiny aman-janany; Hetita no reninareo, ary Amorita no rainareo.
46 Samaria no zokinao-vavy, dia izy sy ny zananivavy izay monina eo an-kavianao; ary ny zandrinao vavy, izay monina amin'ny an-kavananao, dia Sodoma sy ny zananivavy.
47 Nefa tsy araka ny alehan'ireo ihany no nalehanao, ary tsy araka ny fahavetavetan'ireo ihany no nataonao; fa hoatra ny zavatra kely loatra izany, ka dia nanao ratsy mihoatra noho ireo indray ianao tamin'ny nalehanao rehetra.