12 Ao aminao misy mandray kolikoly handatsa-drà; maka zana-bola sy tombony ianao sady manao an-keriny mandroba ny an'ny namanao ka manadino Ahy, hoy Jehovah Tompo.
13 Koa, indro, manjera tanana Aho noho ny harena azonao tamin'ny tsy marina sy ny latsa-drà tao aminao.
14 Hahatoha va ny fonao, na hahazaka va ny tananao, amin'ny andro izay hisehoaka aminao? Izaho Jehovah no nilaza sady hahatanteraka izany.
15 Ary haeliko ho any amin'ny jentilisa sy hahahako ho any amin'ny tany samy hafa ianao, ary holevoniko ho afaka aminao mihitsy ny fahalotoanao.
16 Ary dia ho hitan'ny jentilisa fa ny nataonao ihany no nahaloto anao; ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
17 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah anao hoe:
18 Ry zanak'olona, ny taranak'Isiraely dia efa tonga tain-drendrika amiko; izy rehetra dia varahina sy vifotsy sy vy ary firaka ao anatin'ny memy; eny, efa tonga taim-bolafotsy izy.