4 Ary horavan'ireo ny mandan'i Tyro, sady harodany ny tilikambony; Dia hofafako hiala aminy ny vovo-taniny, ka hataoko tahaka ny vatolampy mangadihady izy.
5 Ho famelarana harato eo amin'ny ranomasina izy; Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo, ka dia ho babon'ny-firenena izy.
6 Ary ny zana-bohiny eny an-tanety dia hovonoina amin'ny sabatra; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
7 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ho entiko avy any avaratra ho any Tyro Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, andrianan'ny andriana, mitondra soavaly sy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary vahoaka betsaka.
8 Ny zana-bohitrao any an-tanety dia hovonoiny amin'ny sabatra; ary hanandratra tilikambo sy tovon-tany sady hanangana ampinga lehibe hamelezany anao izy.
9 Ary hametraka lohondry vy fandravana eo akaikin'ny mandanao izy, sady horavany amin'ny fiadiany ny tilikambonao.
10 Ho feno ny vovo-taniny ianao noho ny habetsahan'ny soavaliny; hihorohoro ny mandanao noho ny fikorodondrodon'ny mpitaingin-tsoavaly sy ny kodia sy ny kalesy, raha miditra eo amin'ny vavahadinao tahaka ny olona miditra amin'ny tanàna izay voabanga izy.