1 Dia nentiny nivoaka nianavaratra ho any amin'ny kianja ivelany aho, ary nampidiriny ho ao amin'ny efi-trano tandrifin'ny kianja voatokana sady tandrifin'ny trano eo amin'ny avaratra,
2 dia ho eo anoloan'ilay lavany zato hakiho izay nisy ny varavarana avaratra, ary ny sakany dimam-polo hakiho.
3 Tandrifin'ny roa-polo hakiho amin'ny kianja anatiny sady tandrifin'ny lampivato amin'ny kianja ivelany dia nisy lalan-tsarany nifanandrify teo amin'ny trano fahatelo ambony indrindra.
4 Ary teo anoloan'ny efi-trano dia nisy lalana, folo hakiho ny sakany, mankao anatiny, ary lalana iray hakiho izany; ary nanatrika ny avaratra ny varavarany.
5 Ary nohakelezina ny efi-trano ambony, fa nangalana ho lalantsarany, ka izany no nahakely azy noho ny ambany sy ny an-tenatenany.
6 Fa nifanongoa telo ireo, fa tsy nisy andry tahaka ny andrin'ny kianja, ka izany no nahakely azy noho ny ao ambany sy ny ao an-tenatenany hatreny an-tany.