2 Ary, indro, tamy ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely avy tany atsinanana; ary ny feony dia tahaka ny firohondrohon'ny rano be; ary ny tany dia namirapiratra azon'ny voninahiny.
3 Ary ny tarehin'ny zavatra hitako dia tahaka ny an'ilay efa hitako, fony aho tonga handrava ny tanàna; ary nisy tahaka ny tarehin'ilay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany; ka dia nikarapoka nihohoka aho.
4 Ary ny voninahitr'i Jehovah dia niditra tamin'ny vavahady manatrika ny atsinanana ho ao an-trano.
5 Dia nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy niditra ho ao amin'ny kianja anatiny; ary, indro, feno ny voninahitr'i Jehovah ny trano.
6 Dia reko fa nisy niteny tamiko tao an-trano; ary nisy lehilahy nitsangana teo anilako.
7 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, eto no hitoeran'ny seza fiandrianako sy hitoeran'ny faladiako, izay honenako mandrakizay eto amin'ny zanak'Isiraely; ary tsy holotoin'ny taranak'Isiraely, na izy na ny mpanjakany, amin'ny fijangajangany sy amin'ny sampin'ny mpanjakany ao amin'ny fitoerany avo intsony ny anarako masina,
8 tamin'ny nametrahany ny tokonam-baravaran'ireny teo anilan'ny tokonam-baravarako sy ny tolan'ireny teo anilan'ny tolako, rindrina ihany no teo anelanelako sy ireny, dia nolotoiny tamin'ny fahavetavetana nataony ny anarako masina; ka dia nahalany ringana azy tamin'ny fahatezerako Aho.