20 Ary efa nisy mpanjaka mahery izay nanjaka tany Jerosalema nanapaka ny tany rehetra any an-dafin'ny ony ka nandoavana hetra sy haba ary sara.
21 Koa dia manaova didy hampitsahatra ireo olona ireo, mba tsy hamboarina io tanàna io, raha tsy mahazo teny avy atỳ amiko.
22 Ary tandremo tsara, fandrao misy tsy vitanareo izany; fa nahoana no havela handroso ny ratsy ka hahatonga fatiantoka ho an'ny fanjakana?
23 Ary rehefa voavaky teo anatrehan-dRehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra mbamin'ny namany ny taratasin'i Artaksersesy mpanjaka, dia niakatra faingana ho any Jerosalema ho any amin'ny Jiosy izy ka nampitsahatra azy an-keriny.
24 Dia natsahatra tsy natao ny tranon'Andriamanitra, izay tany Jerosalema; ary mbola nitsahatra ihany izany hatramin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosy, mpanjakan'i Persia.