9 Rehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra ary ny namany sisa, dia ny Dinaita, ny Afarsatkita, ny Tarpelita, ny Afarsaita, ny Arkevita, ny Babyloniana, ny Sosanita, ny Dehavita sy ny Elamita,
10 mbamin'ny firenena sisa izay nentin'i Asnapara lehibe sady malaza ho babo, ka namponeniny tany an-tanàna Samaria sy tany amin'ny tany sasany etỳ an-dafin'ny ony etỳ...
11 Izao no teny amin'ny taratasy nampitondrainy ho any amin'i Artaksersesy mpanjaka: Ny lehilahy mpanomponao etỳ an-dafin'ny ony etỳ .....
12 Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa ny Jiosy, izay niakatra avy tany aminao hankatỳ aminay, dia efa tonga any Jerosalema ka manamboatra ilay tanàna fikomiana sady ratsy, dia mahavita ny mandany izy izao ary manamboatra ny fanorenany koa.
13 Koa aoka ho fantatry ny mpanjaka fa raha hatao io tanàna io, ka hatsangana indray ny mandany, dia tsy hety handoa hetra, na haba, na sara, izy; ka dia hahatonga fatiantoka ho an'ny fanjakana izany any aoriana.
14 Koa satria mahazo ny fivelomanay avy amin'ny lapan'ny mpanjaka izahay, dia tsy mety raha odianay tsy hita ny fatiantoky ny fanjakana, ka dia efa naniraka hampahafantatra ny mpanjaka izany izahay,
15 mba hizahana ny boky tantaran'ny razanao; dia ho hitanao eo amin'ny boky tantara, ka ho fantatrao fa tanàna fikomiana io tanàna io ka naha-fatiantoka ny mpanjaka sy ny tany maro, sady efa nisy fikomiana niseho tao hatrizay ela izay; koa izany no nandravana io tanàna io.