4 Misy famirapiratana toy ny mazava, Ary misy tàna-masoandro avy eo amin'ny tànany; Ary ao no fieren'ny heriny.
5 Eo alohany no andehanan'ny areti-mandringana, Ary areti-mandripaka no mivoaka avy eo aoriany.
6 Mijanona Izy ka manozongozona ny tany; Mijery Izy ka mampangovitra ny firenena, Ary torotoro ny tendrombohitra mandrakizay, Mietry ny havoana fahagola, Fanaony hatry ny fahagola ny Azy.
7 Mahita ny lain'i Kosana azom-pahoriana aho, Sady mipararetra ny ambain-dain'ny tany Midiana.
8 Moa amin'ny ony va no irehetan'ny fahatezeran'i Jehovah ? Amin'ny ony va no ahatezeranao, Na amin'ny ranomasina va no ahasosoranao, No dia mitaingina ny soavalinao sy ny kalesim-pamonjenao Hianao ?
9 Nalan-tsarona ny tsipìkanao; Efa nianianana ny fikapohan'ny teny. [Sela] Namakivaky ny tany Hianao mba hisy ony.
10 Nahita Anao ny tendrombohitra ka toran-kovitra; Mirotsaka ny ranonorana mivatravatra, Mamoa-peo ny lalina Sady manangan-tanana ho amin'ny avo.