5 Ny mponina any Samaria matahotra noho ny amin'ny ombivavy kely ao Betavena; Fa ny olony mitomany azy,
6 Iny koa ho entina any Asyria ho fanomezana ho an'i Jareba mpanjaka; Ho afa-baraka Efraima, eny, hangaihay Isiraely noho ny saina nataony.
7 Ho rava Samaria, ny mpanjakany dia ho tonga toy ny sombin-javatra eny ambonin'ny rano.
8 Ary ho rava koa ny fitoerana avo ho Avena, izay anotan'Isiraely; Ho rakotry ny tsilo sy ny ahitra ratsy ny alitarany; Ary izy hanao amin'ny tendrombohitra hoe: sarony izahay, ary amin'ny havoana hoe: Mianjerà aminay.
9 Hatramin'ny andro fony tany Gibea no efa nanotanao, ry Isiraely; Nikikitra tany izy; Tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana.
10 Araka ny sitrako no hamaizako azy; Ary hovorina hamely azy ny firenena, amin'ny hamatorana azy noho ny helony roa loha.
11 Ary Efraima dia tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka ka faly hively vary; Ary hasiako zioga ny vozony tsara tarehy; Hampandehaniko Efraima; Joda hiasa tany, ary Jakoba handravona.