13 Aza mitondra fanati-poana intsony; Fofona fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana!
14 Ny voaloham-bolanareo sy ny fotoam-pivavahanareo dia halan'ny fanahiko, Mavesatra amiko izany, Ka sasatra mitondra azy Aho.
15 Raha mananty tanana ianareo, Dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; Eny, na dia manao vavaka be aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; Feno ran'olona ny tananareo.
16 Misasà ianareo, diovy ny tenanareo, Esory tsy ho eo anoloan'ny masoko ny ratsy fanaonareo; Mitsahara, fa aza manao ratsy;
17 Mianara hanao ny tsara, Diniho izay rariny, anaro ny mpampahory, Omeo rariny ny kamboty, tsarao ny adin'ny mpitondratena.
18 Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy.
19 Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin'ny tany;