3 Ary amin'ny andro hanomezan'i Jehovah fitsaharana anao ho afaka amin'ny fahorianao sy ny fitebitebin'ny fonao ary ny fanompoana mafy izay nampanompoana anao,
4 dia hataonao izao oha-teny ny amin'ny mpanjakan'i Babylona izao: Hià! mitsahatra ilay mpampahory! Eny. tsy ao intsony ilay tanàna volamena!
5 Jehovah efa nanapatapaka ny tehin'ny ratsy fanahy. Dia ny tehina fanapahan'ny mpanapaka,
6 Izay namely firenena tamin'ny fahatezerana, tamin'ny famelezana tsy nanam-pitsaharana, sady nampanompo firenena tamin'ny fahatezerana, tamin'ny fanenjehana tsy misy antra.
7 Miadana ka mandry fahizay ny tany rehetra; Velominy ao ny hoby,
8 Eny, ny hazo kypreso sy ny sedera any Libanona hifaly anao hoe: Hatrizay niambohoanao izay dia tsy nisy mpikapa niakatra tatỳ aminay.
9 Taitra ny fiainan-tsi-hita any ambany noho ny aminao mba hitsena anao amin'ny fihavianao; Mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny bibilahy rehetra tambonin'ny tany; Aingainy hiala amin'ny seza fiandrianana ny mpanjakan'ny firenena rehetra.