22 Ary hapetrako eo an-tsorony ny fanala hidin'ny tranon'i Davida; Dia hamoha izy, ka tsy hisy handrindrina; Ary handrindrina izy, ka tsy hisy hamoha.
23 Ary hatsatoko toy ny fihantonan-javatra eo amin'ny fitoerana mafy izy ka ho sezam-boninahitra ho an'ny mpianakavin-drainy.
24 Ary hahantona eo aminy ny havesatry ny voninahitry ny mpianakavin-drainy rehetra, izay zanaka sy tera-drainy rehetra, dia ny fanaka madinita rehetra hatramin'ny lovia ka hatramin'ny siny samy hafa rehetra.
25 Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Dia hiala ilay fihantonan-javatra voatsatoka teo amin'ny fitoerana mafy; Eny, hokapaina izy ka hianjera, dia ho simba ny entana izay nihantona teo aminy; Fa Jehovah no efa niteny.