9 Ny amin'ny zavatra taloha, dia indreo, efa miseho; Ary zava-baovao kosa no toriko izao; Na dia tsy mbola miposaka aza ireny, dia ambarako aminareo.
10 Hianareo izay midina any amin'ny ranomasina sy ny ao aminy rehetra, dia ianareo nosy sy ny mponina ao aminy, samia mihira fihiram-baovao ho an'i Jehovah, dia ny fiderana Azy hatramin'ny faran'ny tany.
11 Aoka ny efitra sy ireo tanàna eny aminy hanandratra ny feony, dia ny vohitra izay onenan'i Kedara; Aoka hihoby ny mponina any Sela; Ary aoka hanao feo avo any an-tampon'ny tendrombohitra izy.
12 Aoka hanome voninahitra an'i Jehovah izy Ary hitory ny fiderana Azy any amin'ny nosy.
13 Jehovah mivoaka tahaka ny lehilahy mahery, tahaka ny fanaon'ny mpiady no amohazany ny fahatezerany; Miantsoantso Izy, eny, mihiaka mafy; Mampiseho hery haharesy ny fahavalony Izy.
14 Efa tsy niteny Aho hatrizay hatrizay, nangina ihany Aho ka nanindry fo; Fa izao Aho dia mitaraina tahaka ny vehivavy raha miteraka, eny, miehakehaka tsy avy miaina.
15 Hataoto mariry ny tendrombohitra sy ny havoana, hataoko maina ny ahitra rehetra ao aminy, ary ny ony ho tonga nosy, Ary hataoko tankina ny farihy.