16 Ny sasany dorany amin'ny afo, eny, ny sasany ahandroany hena; Manatsatsika hena izy, ka dia voky; Eny, mamindro izy ka manao hoe: Aha! mafana aho izany! nahita afo aho lahy!
17 Ary ny sisan'izany dia amboariny ho andriamanitra, ho sarin-javatra voasokitra, Ary miondrika sy miankohoka eo anatrehany izy ka mivavaka aminy hoe: Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao.
18 Tsy mahalala na mahafantatra ireny; Fa voatampina ny masony ka tsy mahita, Ary ny fony, ka tsy mahalala.
19 Tsy misy mieritreritra ao am-pony, na mba manana fahalalana na saina akory hanao hoe: Ny sasany mantsy nodorako tamin'ny afo; Eny, efa nanendy mofo tamin'ny vainafony aho: Efa nanatsatsika hena aho ka nihinana; Koa ny sisa va hataoko fahavetavetana, Hiankohofako eo anatrehan'izay vatan-kazo?
20 Homan-davenona izy; Voafitaka ny fony ka nampivily azy, ka dia tsy mahavonjy ny fanahiny izy na mahalaza hoe: Moa tsy lainga va no eto an-tanako ankavanana?
21 Tsarovy izany, ry Jakoba, dia ianao, ry Isiraely, fa mpanompoko ianao; Noforoniko ianao ka mpanompoko; Tsy hohadinoiko ianao, ry Isiraely ô,
22 Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona; Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.