1 Mialà, ka mipetraha amin'ny vovoka, ry Babylona, zanakavavy virijina! Mipetraha eo amin'ny tany, fa tsy amin'ny seza fiandrianana, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe vehivavy malemilemy sy mihantahanta intsony ianao.
2 Alao ny vato fikosoham-bary, ka kosohy ny koba; esory ny fisalobonanao, akaro ny moron-tongotr'akanjonao; aoka hiseho ny fenao, ka miroboha mita ny ony.
3 Hiseho ny fitanjahanao, eny, ho hita ny fahamenaranao; hitondra famaliana Aho ka tsy hiantra olona.
4 Ny anaran'ny Mpanavotra anay dia Jehovah, Tompon'ny maro, Iray Masin'ny Isiraely.
5 Mipetraha mangingina, ka midìra ao amin'ny maizina, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe Tompovavin'ny fanjakana intsony ianao.
6 Tezitra tamin'ny oloko Aho; navelako holotoina ny lovako, ka natolotro ho eo an-tananao izy, tsy mba namindranao fo izy, fa na dia ny antitra aza dia nasianao zioga mavesatra dia mavesatra.
7 Ary hoy ianao: Ho tompovavy mandrakizay Aho; ka dia tsy nandatsaka am-po izany zavatra izany ianao, na nitsapa izay hiafarany.