4 Hianao tsy hatao intsony hoe nafoy, ary ny taninao tsy hatao intsony hoe Lao fa ianao hatao hoe Ilay sitrako, ary ny taninao hatao hoe Vady ampakarina; Fa sitrak'i Jehovah ianao, ary ny taninao hampanambadina.
5 Fa tahaka ny zatovo mampakatra virijina ho vadiny no hampakaran'ny mponina aminao anao; ary tahaka ny fifalian'ny mpampakatra amin'ny ampakariny no hifalian'Andriamanitrao aminao.
6 Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin'ny mandanao Aho, ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangina ireny; eny, ianareo izay mpampahatsiaro an'i Jehovah, aza mitsahatra;
7 Ary aza mamela Azy hitsahatra mandra-panaony an'i Jerosalema ho mafy orina sy hoderaina amin'ny tany.
8 Jehovah efa nianiana tamin'ny tànany ankavanana, dia tamin'ny sandriny mahery, hoe: Tsy homeko hohanin'ny fahavalonao intsony ny varinao, ary ny hafa firenena tsy hisotro ny ranom-boalobokao izay efa nisasaranao;
9 Fa izay nijinja azy no hihinana azy ka hidera an'i Jehovah; ary izay nioty azy no hisotro azy ao amin'ny kianjako masina.
10 Mivoaha, mivoaha amin'ny vavahady, amboary ny lalana halehan'ny olona; asandrato ho avo ny lalambe; esory ny vato eny aminy; manangàna faneva ho tazan'ny firenena.