6 Indro, izao no voasoratra eo anatrehako: Tsy hangina Aho mandra-pamaliko anareo eny, mandra-pamaliko ho ao an-tratranareo
7 Ny helokareo sy ny heloky ny razanareo koa, hoy Jehovah, dia izay olona nandoro ditin-kazo manitra teny an-tendrombohitra ary nihaika Ahy teny amin'ny havoana; eny, hamatra ny valin'ny asany ho ao an-tratrany Aho aloha.
8 Izao no lazain'i Jehovah: Tahaka ny ranom-boaloboka hita ao antsampahony ka ataon'ny olona hoe: Aza simbana, fa misy fitahiana ao anatiny dia toy izany no hataoko noho ny amin'ny mpanompoko, ka tsy hanimba azy rehetra Aho.
9 Hahatonga taranaka avy amin'i Jakoba Aho sy mpandova ny tendrombohitro avy amin'i Joda; Ary ireo voafidiko no handova azy, eny, ny mpanompoko no honina ao.
10 Sarona ho tonga fiandrasana ondry ary ny lohasaha akora ho fandrian'omby, ho an'ny oloko izay nitady Ahy.
11 Fa ny aminareo izay mahafoy an'i Jehovah sy manadino ny tendrombohitro masina, sady mamelatra latabatra ho an'i Gada sy mampidina divay noharoharoan-javatra ho an'i Meny,
12 Dia hotendreko ho voan'ny sabatra ianareo ka hankohofina hovonoina avokoa, satria niantso Aho, fa tsy namaly ianareo, niteny Aho, fa tsy nihaino ianareo, fa nanao izay ratsy eo imasoko, ary izay tsy sitrako no nofidinareo.