18 Ary noho izany dia izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda: Ny olona tsy hisaona azy hoe: Indrisy, tompokolahy! na: Indrisy, tompokovavy! Ny olona tsy hitomany azy hoe: Indrisy, tompoko! na: Indrisy ny voninahiny!
19 Halevina toy ny fandevina boriky izy, ka hotaritarihina sy hariana any ivelan'ny vavahadin'i Jerosalema.
20 Miakara any Libanona, ka mitaraina; Dia asandrato any Basana ny feonao, ary mitaraina any Abarima; Fa ringana avokoa ireo tia anao.
21 Efa niteny taminao Aho, fony ianao mbola nipetraka tsy nanana ahiahy; Nefa hoy ianao: Izaho tsy hihaino. Fanaonao hatry ny fony ianao mbola tanora ny tsy mihaino ny teniko.
22 Ny mpitondra anao rehetra ho paohin'ny rivotra, ary ireo tia anao ho lasan-ko babo, eny, ho menatra sy hangaihay tokoa ianao noho ny haratsianao rehetra.
23 Ry ilay mponina any Libanona, izay manao ny akaninao eny amin'ny sedera, indrisy ny fisentoanao, raha iharan'ny faharariana ianao, toy ny fanaintainan'ny vehivavy raha miteraka!
24 Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, na dia ho peratra fanombohan-kase amin'ny tanako ankavanana aza ianao, ry Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, dia hotsoahako hiala eo ianao,