3 Angamba hoheverin'ny taranak'i Joda ny loza rehetra izay kasaiko hatao aminy, dia samy hiala amin'ny lalany ratsy avy izy, ka havelako ny helony sy ny fahotany.
4 Ary Jeremia niantso an'i Baroka, zanak'i Neria, ary dia nosoratan'i Baroka tamin'ny horonan-taratasy ny tenin'i Jehovah rehetra avy tamin'ny vavan'i Jeremia, dia izay efa nolazainy taminy.
5 Ary Jeremia nandidy an'i Baroka hoe: Izaho izao dia voahazona ka tsy afaka mankany an-tranon'i Jehovah;
6 fa mandehana ianao, ka vakio eo anatrehan'ny vahoaka ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro fifadiankanina ny tenin'i Jehovah, izay efa nosoratanao avy tamin'ny vavako, ary vakio eo anatrehan'ny Joda rehetra izay tonga avy any amin'ny tanànany koa.
7 Fa angamba ny fifonany hoborahina eo anatrehan'i Jehovah, ka dia samy hiala amin'ny lalany ratsy avy izy; fa loza ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay nolazain'i Jehovah ny amin'ity firenena ity.
8 Ary Baroka, zanak'i Neria, dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Jeremia mpaminany azy ka namaky ny tenin'i Jehovah tamin'ny taratasy teo an-tranon'i Jehovah.
9 Fa tamin'ny volana fahasivy tamin'ny taona fahadimy manjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia niantso fifadian-kanina teo anatrehan'i Jehovah izy tamin'ny vahoaka rehetra tany Jerosalema sy tamin'ny olona rehetra izay efa tonga tany Jerosalema avy eny amin'ny tanànan'ny Joda.