1 Ary rehefa nahare Jabina, mpanjakan'i Hazora, dia naniraka tany amin'i Jobaba, mpanjakan'i Madona, sy ny mpanjakan'i Simrona sy ny mpanjakan'i Aksafa,
2 ary ireo mpanjaka tany amin'ny tany havoana any avaratra koa sy tany amin'ny tani-hay atsimon'i Kinerota sy tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka ary tany amin'ny havoan'i Dora andrefana,
3 dia tamin'ny Kananita any atsinanana sy any andrefana, ary tamin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita ary ny Jebosita tany amin'ny tany havoana, ary tamin'ny Hivita tany am-bodin'i Hermona, tany amin'ny tany Mizpa.
4 Dia nivoaka izy ireo sy ny miaramilany rehetra teo aminy, dia olona maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina ny hamaroany, ary ny soavaliny sy ny kalesiny dia maro indrindra.
5 Ary rehefa nivory ireo mpanjaka rehetra ireo, dia nandeha izy hiady tamin'ny Isiraely ka nitoby teo anilan'ny rano Meroma.
6 Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra azy; fa rahampitso toy izao Izaho dia hanolotra azy rehetra ho faty eo anatrehan'ny Isiraely; traingoy ny soavaliny, ary dory amin'ny afo ny kalesiny.
7 Dia nandeha Josoa sy ny vahoaka rehetra mpanafika teo aminy ka tonga tampoka taminy teo amoron'ny rano Meroma, dia namely azy.