3 hatrany Sihora, izay atsinanan'i Egypta, ka hatramin'ny fari-tanin'i Elzrona eo avaratra, izay atao ho an'ny Kananita, ireo andriana dimy amin'ny Filistina dia ny Gazita sy ny Asdodita sy ny Askelonita sy ny Gatita sy ny Ekronita ary ny Avita
4 any atsimo, dia ny tanin'ny Kananita rehetra sy Meara, izay an'ny Sidoniana, hatrany Afeka ka hatramin'ny fari-tanin'ny Amorita,
5 ary ny tanin'ny Gebalita sy Libanona rehetra any atsinanana, hatrany Bala-gada eo ambodin'ny tendrombohitra Hermona ka hatrany akaikin'i Hamata,
6 ary ny mponina rehetra any amin'ny tany havoana hatrany Libanona ka hatrany Misrefota-maima. dia ny Sidoniana rehetra, Izaho no handroaka kanefa zarao amin'ny filokana ho lovan'ny Zanak'Isiraely izy araka izay efa nandidiako anao.
7 Ary ankehitriny zarao izao tany izao ho lovan'ny firenena sivy sy ny antsasaky ny firenen'i Manase.
8 Ary niaraka tamin'ireo koa no nahazoan'ny Robenita sy ny Gadita ny lovany, dia ilay nomen'i Mosesy azy any an-dafy atsinanan'i Jordana, araka izay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, azy,
9 dia hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanàna izay eo afovoan'ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba ka hatrany Dibona,