15 Ary ny lafiny atsimo dia hatramin'ny faran'i Kiriata-jearima; ary ny fari-tany dia nandroso niankandrefana ka nihatra tamin'ny loharanon'i Neftoa,
16 dia nidina hatramin'ny faran'ny tendrombohitra, izay tandrifin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, eo amin'ny Lohasahan'ny Refaita eo avaratra, ka nidina hatramin'ny lohasahan'i Hinoma, hatramin'ny ilany atsimon'ny Jebosita, ka nidina hatrany En-rogela,
17 dia nizotra avy any avaratra ka nandroso hatrany En-semesy sy Gelilota, izay tandrifin'ny fiakarana Adomima, ka nidina hatramin'ny vaton'i Bohana, zanak'i Robena,
18 dia nandroso hatramin'ny ilany avaratra tandrifin'ny tani-hay ka nidina hatrany amin'ny tani-hay.
19 dia nandroso hatramin'ny ilany avaratr'i Beti-hogla, ka dia nihatra tamin'ny helo-drano avaratra amin'ny Ranomasin-tsira, eo amin'ny farany atsimo amin'i Jordana; izany no lafiny atsimo.
20 Ary Jordana no fari-taniny atsinanana. Izany no lovan'ny taranak'i Benjamina amin'ny fari-taniny manodidina araka ny fokony.
21 Ary ny tanànan'ny firenena taranak'i Benjamina araka ny fokony dia Jeriko sy Beti-hogla ary ny lohasahan'i Keziza