9 ka nanao taminy hoe: Fantatro fa efa nomen'i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin'ny tany noho ny tahotra anareo.
10 Fa efa renay ny nanamainan'i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin'ny nivoahanareo avy tany Egypta, sy izay nataonareo tamin'ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafin'i Jordana, dia Sihona sy Oga, izay novonoinareo.
11 Koa nony efa renay izany, dia ketraka ny fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony sy etỳ amin'ny tany ambany.
12 Koa ankehitriny, masìna ianareo, mba ianiano amin'i Jehovah aho fa araka ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin'ny ankohonan'ny raiko kosa, ka omeo famantarana mahatoky aho
13 fa hovelominareo ny raiko sy ny reniko sy ny anadahiko sy ny rahavaviko ary izay rehetra mety ho azy; dia hamonjy ny ainay tsy ho faty ianareo.
14 Dia hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo, raha tsy holazainareo izao raharahanay izao; ary raha omen'i Jehovah anay ny tany, dia hamindra fo sy hanao izay marina aminao izahay.
15 Dia nampidina azy tamin'ny mahazaka avy teo amin'ny varavarankely izy; fa teo amin'ny màndan'ny tanàna ny tranony, ary teo amin'ny manda no nitoerany.