18 Ary Jehovah nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, dia ny Amorita izay nonina teto amin'ny tany; koa izahay koa dia mba hanompo an'i Jehovah, fa Izy no Andriamanitsika.
19 Ary hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Tsy mahay manompo an'i Jehovah ianareo; fa Andriamanitra masina Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo.
20 Raha mahafoy an'i Jehovah ianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hiverina Izy ka hampahory anareo sy hahafongana anareo, rehefa nasiany soa.
21 Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Tsia; fa Jehovah ihany no hotompoinay.
22 Dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Vavolombelona ho an'ny tenanareo ianareo fa efa nifidy an'i Jehovah hotompoinareo. Ary hoy ny olona: Eny vavolombelona izahay .
23 Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo. ka ampanatony an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ny fonareo.
24 Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Jehovah Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinay