7 Ary ny zanany no natsangany handimby azy, ka ireo no noforan'i Josoa; fa tsy mbola voafora ireo, satria tsy noforana teny an-dalana.
8 Ary rehefa noforana ny lehilahy rehetra, dia nitoetra tao amin'ny fitoerany tany an-toby izy mandra-pahasitrany.
9 Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Androany no nanakodiavako ny fandatsan'i Egypta ho afaka aminareo. Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Gilgala mandraka androany.
10 Ary ny Zanak'Isiraely nitoby tany Gilgala ka nitandrina ny Paska tamin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana, teo amin'ny tani-hay any Jeriko.
11 Ary nony ampitson'ny Paska, dia nihinana ny vokatry ny tany izy tamin'izany andro izany indrindra, dia mofo tsy misy masirasira sy lango.
12 Ary nitsahatra ny mana tamin'iny andro ampitso iny, dia tamin'ny nihinanany ny vokatry ny tany, ka tsy nisy mana ho an'ny Zanak'Isiraely intsony; fa nihinana ny vokatry ny tany Kanana izy tamin'izany taona izany.
13 Ary nony teo akaikin'i Jeriko Josoa, dia nanopy ny masony izy ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy nitsangana tandrifiny, ka ny sabany voatsoaka dia teny an-tànany; ary nanatona Azy Josoa ka nanao taminy hoe: Namanay va Hianao, sa naman'ny fahavalonay?