Levitikosy
toko 14:15-21
Malagasy Bible
15ary ny diloilo iray loga dia hangalan'ny mpisorona ka haidiny eo am-pelatanany ankavia;
16dia hatsoboky ny mpisorona ny fanondrony ankavanana eo amin'ny diloilo izay eo am-pelatanany ankavia ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah.
17ary ny diloilo sisa eo am-pelatanany dia hanentenan'ny mpisorona ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana eo amin'ilay nasiana ny ran'ny fanati-panonerana;
18ary ny diloilo mbola sisa eo ampela-tànan'ny mpisorona dia hataony amin'ny lohan'ilay hodiovina; ary hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah ny mpisorona.
19Ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota ka hanao fanavotana ho an'ilay hodiovina hahafahany amin'ny fahalotoany; ary rehefa afaka izany, dia hamono ny fanatitra dorana izy;
20ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina eo ambonin'ny alitara ka hanao fanavotana ho an'ilay olona hodiovina, dia hadio izy.
21Fa raha malahelo kosa izy, ka tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra zanak'ondry iray hatao fanati-panonerana havehaveva izy, hanaovana fanavotana ho azy, ary koba tsara toto iray ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra hohanina sy diloilo iray loga