Levitikosy
toko 21:10-16
Malagasy Bible
10Ary ny mpisoronabe, izay nalaina tamin'ny rahalahiny, ka nanidinana ny diloilo fanosorana ny lohany, sady natokana hitafy ny fitafiana, dia aoka tsy hirakaraka volo, na handriatra ny fitafiany.
11Ary aoka tsy hiditra am-paty akory izy, ka tsy handoto ny tenany na dia amin'ny rainy aman-dreniny aza.
12Ary aoka tsy hivoaka avy amin'ny fitoerana masina izy, na handoto ny fitoera-masin'Andriamaniny; fa ny diademany, dia ny diloilo fanosoran'Andriamaniny azy, no eo an-dohany: Izaho no Jehovah.
13Ary aoka hampakatra izay vehivavy mbola virijina izy.
14Fa ny maty vady, na ny efa nisaorana, na ny voaloto tamin'ny fijangajangana, dia tsy azony hampakarina, fa virijina avy amin'ny fireneny ihany no hampakariny.
15Ary aoka tsy hanao izay hahaloto ny taranany eo amin'ny fireneny izy; fa Izaho Jehovah no manamasina azy.
16Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: