Levitikosy
toko 22:24-30
Malagasy Bible
24Izay voaporitra, na voatoro, na voaombotra, na voadidy ho afaka ny vihiny, dia tsy azonareo aterina ho an'i Jehovah; ary aza manao izany eo amin'ny taninareo.
25Ary raha misy entin'olona hafa firenena aza izany zavatra izany, dia tsy azonareo haterina ho hanin'Andriamanitrareo, satria efa simba izy ka misy kilema; tsy mba hankasitrahana anareo izany.
26Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
27Raha misy omby, na ondry, na osy, vao teraka, dia hitoetra amin-dreniny hafitoana izy; fa rehefa hatramin'ny andro fahavalo no ho miakatra, dia hankasitrahana izy, raha atao fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
28Ary ny ombivavy, na ny ondrivavy, na ny osivavy, dia tsy hovonoinareo indray andro izy sy ny zanany.
29Ary raha mamono zavatra hatao fanati-pisaorana ho an'i Jehovah ianareo, dia amin'izay hankasitrahana anareo no hamonoanareo azy.
30Amin'izany andro izany ihany no hihinanana azy, fa aza amelana ho tra-maraina: Izaho no Jehovah