1 Ary raha fanati-pihavanana no fanatiny, ka ombilahy na ombivavy no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan'i Jehovah.
2 Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana; ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.
3 Dia hangalan'ny mpisorona ny fanati-pihavanana, ka hateriny ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
4 sy ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany.
5 Ary ireo zanak'i Arona dia handoro izany ho fofona eo ambonin'ny alitara miaraka amin'ny fanatitra dorana izay eo ambonin'ny kitay eo amin'ny afo; dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izany.