Mpitoriteny
toko 9:4-10
Malagasy Bible
4Fa izay rehetra isan'ny velona dia mbola hantenaina; fa ny amboa velona no tsara noho ny liona maty.
5Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy.
6Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin'izay atao atỳ ambanin'ny masoandro izy.
7Mandehana, hano amin'ny fifaliana ny haninao, ary sotroy amin'ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan'Andriamanitra ela ny asanao.
8Aoka ho fotsy mandrakariva ny fitafianao, ary aoka tsy ho diso menaka ny lohanao.
9Miravoravoa amin'ny vady malalanao amin'ny andronao rehetra mandalo foana, izay efa nomeny anao atỳ ambanin'ny masoandro, dia ny andronao rehetra mandalo foana; fa izany no anjaranao amin'ny andro iainanao sy amin'ny fisasarana izay isasaranao atỳ ambanin'ny masoandro.
10Izay rehetra azon'ny tananao atao dia ataovy amin'ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin'ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.