9 Fa ta-hampahatahotra anay izy rehetra, ka hoy izy: Ho kivy amin'ny asa izy ka tsy hahatontosa. Koa ankehitriny ampaherezo e ny tanako!
10 Ary izaho dia tonga tao an-tranon'i Semaia, zanak'i Delaia, zanak'i Mehetabela, izay nihidy trano tao; dia hoy izy: Andeha isika hiditra ao an-tranon'Andriamanitra ao anatin'ny tempoly, ary aoka harindrintsika ny varavarana, fa ho avy hamono anao izy, eny, ho avy alina hamono anao izy.
11 Fa hoy izaho: Moa ny lehilahy tahaka ahy tokony handositra va? Ary iza no olona tahaka ahy no mahazo miditra ao amin'ny tempoly ka ho velona? Tsy hiditra ao aho.
12 Ary hitako fa, indro, tsy Andriamanitra no naniraka azy, fa nilaza izany faminaniana izany hamitahany ahy izy, satria notambazan'i Tobia sy Sanbala.
13 Izany no nanambazany azy, mba hampitahotra ahy hanaovako izany ka hanotako, dia hahazoany teny tatsy hanaratsiany ahy.
14 Ry Andriamanitro ô, tsarovy Tobia sy Sanbala araka izany asany izany mbamin'i Noadia mpaminanivavy sy ny mpaminany sasany koa, izay nampitahotra ahy.
15 Dia vita tamin'ny roa amby dimam-poloandro ny manda, dia tamin'ny andro faha-dimy amby roa-polo tamin'ny volana Elola.