1 Ny tenin'i Lemoela mpanjaka, dia ny teny mavesa-danja izay nananaran-dreniny azy.
2 Ahoana, anaka? Ary ahoana, ry zanako naterako? Ary ahoana, ry zanaky ny voadiko?
3 Aza omena ny vehivavy ny herinao, Na ny fombam-piainanao ho an'izay manimba mpanjaka.
4 Tsy mety amin'ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety amin'ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin'ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka;
5 Fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna Ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana.
6 Omeo toaka izay efa ho faty, Eny, divay ho an'izay malahelo azon'ny fangidiam-panahy;