11 Koa na izaho na ry zareo, dia araka izany no fitorinay, ary araka izany koa no ninoanareo.
12 Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan'ny maty?
13 Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana;
14 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo.
15 Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an'i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty, dia tsy mba natsangany Izy.
16 Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana;
17 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany ianareo;