21 Ary satria ny olona iray no nisehoan'ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan'ny fitsanganan'ny maty.
22 Fa tahaka ny ahafatesan'ny olona rehetra ao amin'i Adama no ahaveloman'ny olona rehetra kosa ao amin'i Kristy.
23 Nefa samy amin'ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an'i Kristy amin'ny fihaviany.
24 Ary rehefa afaka izany, dia avy ny farany, ka amin'izay dia hatolony ho an'Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra.
25 Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin'ny tongony (Sal. 110. 1).
26 Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.
27 Fa ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin'ny tongony (Sal. 8. 6). Fa na dia hataony hoe aza: Ny zavatra rehetra no nampanekena, dia fantatra marina fa tsy mba isan'izany Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy.