1 Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indro, nisy varavarana nivoha tany an-danitra; ary ilay feo voalohany izay efa reko dia tahaka ny an'ny trompetra niteny tamiko hoe: Miakara atỳ, dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy ho avy rahatrizay.
2 Ary niaraka tamin'izay dia voatsindrin'ny Fanahy aho; ary indro seza fiandrianana nipetraka tany an-danitra, ary nisy Anankiray nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.
3 Ary ny tarehin'ilay nipetraka dia tahaka ny vato jaspy sy karneola; ary avana mitarehin'emeralda no nanodidina ny seza fiandrianana.
4 Ary manodidina ilay seza fiandrianana iray dia nisy seza fiandrianana efatra amby roa-polo; ary teo ambonin'ireo seza fiandrianana ireo dia nisy loholona efatra amby roa-polo nipetraka, nitafy fitafiana fotsy sady nisatroka satro-boninahitra volamena.
5 Ary nisy helatra sy feo ary kotrokorana nivoaka avy tamin'ny seza fiandrianana; ary nisy jiro fito nirehitra teo anoloan'ny seza fiandrianana, dia Fanahy fiton'Andriamanitra ireo.
6 Ary teo anoloan'ny seza fiandrianana dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vato krystaly; ary teo afovoan'ny seza fiandrianana sy manodidina azy nisy zava-manan'aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy ny ivohony.