10 Ary nony nahita ny fahitana izy, dia nitady handeha niaraka tamin'izay hankany Makedonia izahay, satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin'ny olona any.
11 Ary nony niondrana an-tsambo niala tany Troasy izahay, dia nizotra nankany Samotrakia; ary nony ampitso dia nankany Neapolia.
12 Ary nony niala teo izahay, dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin'izany zara-tanin'i Makedonia izany sady zana-panjakana; ary nitoetra teo amin'izany tanàna izany andro vitsivitsy izahay.
13 Ary tamin'ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay nankeny amoron'ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin'ny vehivavy vory teo.
14 Ary nisy vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy, avy any an-tanàna Tyatira, izay nivavaka tamin'Andriamanitra, dia nihaino izy, ary ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain'i Paoly.
15 Ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin'ny ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin'ny Tompo aho, dia midìra ao an-tranoko ka mitoera ao. Dia nanery anay izy.
16 Ary raha nandeha ho any amin'ilay fitoerana fivavahana izahay, dia nisy ankizivavy anankiray nanam-panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoan'ny tompony harena be.