21 Ary rehefa ren'i Basa izany, dia nitsahatra tsy nanamboatra an'i Rama intsony izy sady nitoetra tao Tirza.
22 Ary Asa mpanjaka kosa nampandre ny Joda rehetra (tsy nisy tsy nampandrenesiny); ary dia nesorin'ny olona ny vato sy ny hazo tao Rama, izay naorin'i Basa; ary nentin'i Asa mpanjaka nanamboatra an'i Geban'i Benjamina sy Mizpa kosa izany.
23 Ary ny tantaran'i Asa sisa rehetra sy ny heriny rehetra mbamin'izay rehetra nataony ary ny tanàna izay nataony, tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany? Nefa kosa tamin'ny andro fahanterany dia narary tamin'ny tongony izy.
24 Ary lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Josafata zanany no nanjaka nandimby azy.
25 Ary Nadaba, zanak'i Jeroboama, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin'ny Isiraely izy.
26 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nandeha tamin'ny lalan-drainy sy tamin'ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely.
27 Ary Basa, zanak'i Ahia, amin'ny taranak'Isakara, nikomy taminy dia namely azy tao Gibetona, izay an'ny Filistina (fa Nadaba sy ny Isiraely rehetra nanao fahirano an'i Gibetona fahizay).