29 Nefa raha misy olona mitsangana hanenjika anao ka mitady ny ainao, dia hofehezina amin'ny fehin'aina ao amin'i Jehovah Andriamanitra ny fanahin'ny tompoko, fa ny fanahin'ny fahavalonao kosa dia hatorany toy ny eo amin'ny foitran'antsamotady.
30 Ary amin'izany, raha Jehovah mahavita amin'ny tompoko araka ny soa rehetra nilazany anao ka manendry anao ho mpanapaka ny Isiraely,
31 dia tsy ho alahelo na ho nenina amin'ny fon'ny tompoko izany, fa tsy nandatsa-drà foana ianao, na namaly ho an'ny tenanao, tompoko; fa rehefa asian'i Jehovah soa ny tompoko, dia mba tsarovy aho ankizivavinao.
32 Ary hoy Davida tamin'i Abigaila: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay naniraka anao hihaona amiko androany.
33 Ary hotahiny anie ny fahendrenao, ary hotahiny anie ianao, izay niaro ahy androany tsy hahazo heloka amin'ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an'ny tenako.
34 Kanefa, raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay niaro ahy tsy hanisy ratsy anao, raha tsy avy faingana hitsena ahy ianao toy izay, dia efa tsy nasiako niangana na dia lehilahy iray aza amin'i Nabala ambara-pahazavan'ny andro.
35 Ka dia noraisin'i Davida teny an-tànany ilay zavatra nentiny, ary hoy izy taminy: Miakara soa aman-tsara ho any an-tranonao ianao; indro, efa nohenoiko ny feonao, ary nankasitrahako ianao.