1 Samoela
toko 7:7-13
Malagasy Bible
7Ary rehefa ren'ny Filistina fa efa vory tany Mizpa ny Zanak'Isiraely, dia niakatra hamely azy ireo andrianan'ny Filistina. Ary nony nandre izany ny Zanak'Isiraely, dia raiki-tahotra izy noho ny Filistina.
8Dia hoy ny Zanak'Isiraely tamin'i Samoela: Aza mitsahatra mitaraina amin'i Jehovah Andriamanitsika ho anay ianao, mba hamonjeny anay amin'ny tanan'ny Filistina.
9Dia naka zanak'ondry mbola minono Samoela ka nanatitra azy ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah; dia nitaraina tamin'i Jehovah ho an'ny Isiraely Samoela, ary nihaino azy Jehovah.
10Ary raha mbola nanatitra ny fanatitra dorana Samoela, dia nanatona ny Filistina hiady amin'ny Isiraely; fa Jehovah nampikotrokorana mafy tamin'ny Filistina tamin'izany andro izany ka nampifanaritaka azy, dia resy teo anoloan'ny Isiraely izy.
11Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely niala tany Mizpa, dia nanenjika ny Filistina ka namely azy mandra-pahatongany teo ambanin'i Beti-kara.
12Ary Samoela naka vato ka nanorina azy teo anelanelan'i Mizpa sy Sena, ary ny anarany nataony hoe Ebenezera; fa hoy izy: Efa novonjen'i Jehovah isika hatramin'izao.
13Dia resy ny Filistina ka tsy tafiditra teo anatin'ny fari-tanin'ny Isiraely intsony; ary ny tànan'i Jehovah namely ny Filistina tamin'ny andro rehetra niainan'i Samoela.